1 Salamo nataon'ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin'i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;

2 Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.

3 Zava-malaza no anambarana anao Ry tannan'Andriamanitra 

4 Hanonona an-dRahaba* sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo.[Na: Egypta]

5 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.

6 Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. 

7 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
